“Sitrano ny marary…”

Laharana 1507 amin’ny Katesizy

Havaozin’ny Tompo nitsangan-ko velona izany fanirahana izany (“Amin’ ny anarako” […] hametra-tanana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny” : Mk 16,17-18) ary hamafisiny izany amin’ny alalan’ny famantarana izay tanterahin’ny Fiangonana amin’ny fiantsoana ny anarany[113]. Ireny famantarana ireny no mampiseho amin’ny fomba manokana fa “Andriamanitra mamonjy”[114] marina tokoa i Jesoa.

Loharano ôfisialy ↗