I Kristy-mpitsabo

Laharana 1504 amin’ny Katesizy

Matetika i Jesoa no mangataka amin’ireo marary mba hino[106]. Mampiasa famantarana Izy mba hanasitranana : rora sy fametrahan-tanana[107], fotaka sy fanasana[108]. Mitady hanendry Azy ny marary[109] satria “nisy hery niala Taminy ka nahasitrana azy rehetra” (Lk 6,19). Araka izany, amin’ny sakramenta, manohy “mikasika” antsika i Kristy mba hanasitrana antsika.

Loharano ôfisialy ↗