Ny Batemin-jaza
Laharana 1250 amin’ny Katesizy
Ny zaza, noho izy teraka miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona lavo sy voaloton’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mila koa ny fahateraham-baovao amin’ny Batemy[47], mba ho afaka amin’ny herin’ ny maizina sy ho afindra ao amin’ny toeram-pahafahan’ny zanak’ Andriamanitra[48], izay ho amin’izany no iantsoana ny olombelona rehetra. Ny fanomezana tena maimaim-poana tokoa ny fahasoavam-pamonjena dia miseho manokana ao amin’ny Batemin-jaza. Koa noho izany, ny Fiangonana sy ny ray aman-dreny dia manesotra ny zaza amin’ny fahasoavana tsy voavidim-bola hahatongavana ho zanak’Andriamanitra, raha tsy manome ny Batemy azy ao aoriana kely ny nahaterahany[49].