Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra

Laharana 1138 amin’ny Katesizy

Ireto avy “ireo navondrona” ao amin’i Kristy, mandray anjara amin’ny fanompoam-piderana an’Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana ny fandaharany : ny Herin’ny lanitra[7], ny voary manontolo (ny Zavamananaina efatra), ireo mpanompon’ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vaovao (ireo Anti-dahy efatra amby roapolo), ny vahoaka vaovao an’Andriamanitra (ireo efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy[8]), singanina manokana ireo martiry “novonoina noho ny Tenin’ Andriamanitra” (Apôk 6,9), ary ilay hany Reny Masin’Andriamanitra (ilay Vehivavy[9]; ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry[10]), ary farany, “vahoaka maro dia maro, tsy tambo isaina, avy amin’ ny firenena rehetra, fokom-pirenena, vahoaka mbamin’ny olona samihafa fiteny rehetra” (Apôk 7,9).

Loharano ôfisialy ↗