Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra
Laharana 1137 amin’ny Katesizy
Ny Apôkalipsan’i Md Joany, vakìna ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, dia mampiseho amintsika aloha, ny seza fiandrianana iray miorina any an-danitra, ary Olona iray mipetraka eo ambonin’io seza fiandrianana io[1] : “ny Tompo Andriamanitra” (Iz 6,1)[2]. Manaraka izany, ny Zanak’ Ondry, “tahaka ny voavono sy nitsangana” (Apôk 5,6)[3]: i Kristy voafantsika sy nitsangan-ko velona, Mpisorombe tokana ny tena toerana masina tokoa[4], sady “ilay manolotra no ilay atolotra, ilay manome no ilay nomena”[5]. Farany, “ilay onin-dranon’ny Fiainana izay miboiboika avy ao amin’ilay seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’Ondry” (Apôk 22,1), iray amin’ireo fanehoana an’ohatra kanto indrindra ilazana ny Fanahy Masina[6].