← Lohahevitra rehetra

Fianakaviana

Laharana 48

  1. 2227 Adidin’ny ray aman-dreny Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana [20] . Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny …
  2. 2228 Adidin’ny ray aman-dreny Mandritra ny fahazazana, ny fanajana sy ny fankamamian’ny ray aman-dreny no miseho aloha amin’ny fikarakarana sy ny fitandremana izay atokan’izy ireo itaizana ny zanany, iahiana ny filan’izy ireny ara-batana sy ara-panahy . …
  3. 2229 Adidin’ny ray aman-dreny Noho ireo ray aman-dreny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany, dia manana zo izy ireo hisafidy ho an-janany ny sekoly izay mifanaraka amin’ny finoana arahin’izy ireo. Zo fototra izany. Manana adidy ny …
  4. 2230 Adidin’ny ray aman-dreny Ny zanaka, rahefa tonga olon-dehibe, dia manana adidy sy zo hisafidy ny asa ivelomany sy ny lalam-piainana arahiny . Hiantsoroka izany andraikitra vaovao izany izy ao anatin’ny fifandraisana feno fitokiana amin’ny ray …
  5. 2231 Adidin’ny ray aman-dreny Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa …
  6. 2232 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy …
  7. 2233 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra , ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy …
  8. 2247 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Hajao ny rainao sy ny reninao ” (Det 5,16 ; Mk 7,10).
  9. 2248 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Araka ny didy fahefatra, dia sitrak’Andriamanitra ny hanajantsika, manarakaraka Azy, ny ray aman-drenintsika sy ireo izay nomeny fahefana mba hanasoa antsika.
  10. 2249 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Miorina amin’ny fikambanan’ny mpivady sy ny fifanekeny, ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady, ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana.
  11. 2250 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Mifamatotra mafy amin’ny firindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fianakaviana, ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny mpiara-monina, na amin’ny maha-olona tsotra azy na amin’ny maha-kristianina azy ” …
  12. 2251 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny adidin’ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny dia ny manaja, ny mankasitraka, ny manaiky ara-drariny ary ny manampy azy ireo. Mampandroso ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo, ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny.
  13. 2252 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana, amin’ny fivavahana ary amin’ny hatsaram-panahy rehetra. Manana adidy izy ireo hiantoka izay rehetra ilain’ny zanany amin’ny ara-batana sy ara-panahy, araka …
  14. 2253 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Tsy maintsy manaja sy mampandroso ny fiantsoan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Hotsarovan’izy ireo sy hampianariny fa ny antso voalohany ho an’ny kristianina, dia ny manara-dia an’i Jesoa.
  15. 2254 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Tsy maintsy hajain’ny Fanjakana ny zo fototra maha-olona ny olona sy ny fepetra hampiasana ny fahafahany.
  16. 2255 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny miasa miaraka amin’ireo mpitondra fanjakana amin’ny fanorenana fiaraha-monina tsara ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana.
  17. 2256 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena izany didy izany. “ Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona ” (Asa 5,29).
  18. 2257 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny tsara akan’ny fiaraha-monina rehetra hevitra amin’ny fiheviny sy ny fitondran-tenany, dia ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany. Manjary mora ho an’ny fiaraha-monina ny manao didy jadona sy manao bodo …