Adidin’ny ray aman-dreny
Laharana 2227 amin’ny Katesizy
Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana[20]. Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny fifandirana, ny tsy fahamarinana ary ny fandaozana. Ny fifankamamiana no manoro hevitra ny amin’izany. Ny fitiavan’i Kristy no mitaky izany[21].