Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1751
I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena
Ny zavatra nofidìna atao dia soa izay katsahin’ny sitrapo amim-pitokiana. Izy no fototry ny asan’olombelona. Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny finiavana, araka izay aneken’ny saina azy sy hitsaràny …
→
-
1752
I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena
Eo anatrehan’ny zavatra nofidìna atao, dia ny fikasana no manampy ny olona hanao ny asa. Satria mifandray amin’ny fototry ny finiavana hanao ny asa sy mamaritra izany amin’ny tanjona nokendrena ny fikasana, …
→
-
1753
I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena
Ny fikasana tsara (ohatra : manampy ny namana) dia tsy mahatonga ho tsara na ho marina ny fihetsika amam-pitondran-tena efa ratsy rahateo (toy ny lainga sy ny fanaratsiana). Tsy manamarina ny fomba …
→
-
1754
I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena
Ireo toe-java-miseho , ao anatin’izany ny vokany, dia singafototra fanampiny amin’ny asa ara-môraly. Manampy amin’ny fampitomboana na fampihenana ny hatsarana na ny haratsiana ara-môraly amin’ny asan’ olombelona ireny toe-java-miseho ireny (ohatra, ny …
→
-
1755
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena dia mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao, ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho. Ny tanjona ratsy nokendrena hanaovana asa tsara, dia manimba ilay asa, na dia …
→
-
1756
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Noho izany, diso ny mitsara ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’ olombelona raha ny fikasana fotsiny izay ipoiran’izany, na ny toe-java-miseho fotsiny (toerana, fanerena ara-piaraha-monina, fanaovana an-terivozona na filana hanao ny asa amam-pihetsika, sns.) …
→
-
1757
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
. “Loharano” telo miaraka no amaritana ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona : ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho.
→
-
1758
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny sitrapo arakaraka ny aneken’ny saina izany sy hitsaràny izany ho tsara na ho ratsy.
→
-
1759
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
“ Tsy azo hamarinina ho tsara amin’ny fikasana tsara ny asa ratsy iray atao ” [58] . Tsy manamarina ho tsara ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena.
→
-
1760
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao sy ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho, ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena.
→
-
1761
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary, izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fifidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena. Tsy azo atao ny manao ratsy …
→
-
1762
Ny toetram-pitondran-tena amin’ny firehetam-po
Mamboatra ny tenany ho amin’ny hasambarana ny olombelona, amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny nahim-po : mety handrisika azy amin’izany sy hanampy azy amin’izany ny firehetam-po na ny fihetseham-po izay sedrainy.
→
-
1763
I. Ny firehetam-po
Anisan’ny lovasoa kristianina ny teny hoe “firehetam-po”. Anondroana ny fiontanam-po na ny fihetsi-pahatohinana ny hoe fihetseham-po na ny firehetam-po, izay mampirona hanao na tsy hanao eo anatrehan’izay tsapa na eritreretina ho tsara …
→
-
1764
I. Ny firehetam-po
Ireo firehetam-po no singafototry ny toetra maha-izy ny fiasan’ny sain’ olombelona ; ireo no mamolavola ny foto-piovàna sy manamafy orina ny fifamatoran’ny fiainam-pahatohinana sy ny fiasan’ny saina. Ny Tompontsika dia manondro ny …
→
-
1765
I. Ny firehetam-po
Maro ny firehetam-po. Ny fitiavana izay mampirisika ho amin’ny tsara no firehetam-po lehibe indrindra. Ny fitiavana no miteraka ny faniriana ny tsara izay tsy ananana sy ny fanantenana hahazo izany. Tanteraka ao …
→
-
1766
I. Ny firehetam-po
“Ny tia dia ny maniry ny soa sy ny tsara hoan’ny hafa” [60] . Ny fitiavana hafa rehetra dia manana ny loharanon’izy ireo ao amin’izany fihetsika fototra an’ny fon’ny olombelona ho amin’izany …
→
-
1767
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Raha ny maha-firehetam-po ny firehetam-po fotsiny dia sady tsy tsara no tsy ratsy izy. Tsy omena ny filazan-toetra ara-môraly izy afa-tsy izay ankininy tokoa amin’ny saina sy ny sitrapo. Antsoina hoe an-tsitrapo …
→
-
1768
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ireo fihetseham-po lehibe dia tsy manapa-kevitra na amin’ny toetram-pitondran-tena na amin’ny fahamasinan’ny olona ; izy ireny no ilay toeram-pitahirizana tsy mety ritra ireo fahatsiarovana sy ireo firaiketam-pitia izay isehoan’ny fiainana ara-môraly. Ny …
→
-
1769
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Amin’ny fiainana kristianina, ny Tenan’ny Fanahy Masina no manatontosa ny tsanganasany amin’ny fampihetsehana ny olona manontolo, ao anatin’izany ny fijaliany, ny tahotra mahazo azy ary ny alahelony, tahaka izay niseho tamin’ny Fiadian’ain’ny …
→
-
1770
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ny fahalavorariana ara-môraly dia tsy ny mba handrisika ny olona hanao ny tsara amin’ny alalan’ny finiavany ihany, fa koa amin’ny alalan’ny fahalianan’ny nofony, araka ity tenin’ny salamo ity hoe : “Mientan-kafaliana amin’Andriamanitra …
→