Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2086 I. “Hitsaoka ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary hanompo Azy” "Mirakitra ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana ny voalohany amin’ireo didy. Satria, izay miteny hoe Andriamanitra, dia miteny fisiana maharitra, tsy miovaova, mitovy lalandava, tsy mivadika, marina tanteraka tokoa. Koa izany …
  2. 2087 Ny finoana Amin’ny finoana an’Andriamanitra izay manambara ny fitiavany tamintsika no ahitan’ny fiainantsika ara-môraly ny loharano ipoirany. Lazain’i Md Paoly fa ny “fanekena ny finoana” (Rôm l,5; l6,26) no adidy aman’andraikitra voalohany. Ampahafantariny fa …
  3. 2088 Ny finoana Ny didy voalohany dia mitaky amintsika ny hamelona sy hiaro amim-pahamalinana sy amim-piambenana ny finoantsika ary hanary izay rehetra mifanohitra amin’izany. Misy karazany samihafa ny fahotana manohitra ny finoana : Ny fisalasalana …
  4. 2089 Ny finoana Ny tsy fetezana hino, izay fanaovana an-tsirambina ny marina nambara na fandavana an-tsitrapo ny hankato izany. “Ny fampianaran-diso momba ny finoana, izay fandavana arahina di-doha, aorian’ny nandraisana ny Batemy, ny fahamarinana izay …
  5. 2090 Ny fanantenana Raha nanambara ny Tenany sy niantso ny olombelona aza Andriamanitra, dia tsy afaka hanome valiny manontolo ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona. Koa tsy maintsy manantena izy fa Andriamanitra no …
  6. 2091 Ny fanantenana Mahakasika koa ny fahotana manohitra ny fanantenana, ny didy voalohany, dia ny fanarian-toky sy ny fitokian-tena mihoa-pampana : Ny fanarian-toky no mahatonga ny olona tsy manantena intsony ny famonjen’Andriamanitra ny tenany, sy …
  7. 2092 Ny fanantenana Ny fitokian-tena mihoa-pampana , izay misy karazany roa : Na ny olona miantehitra irery amin’ny herim-pahaizany (amin’ny fanantenana fa ho afaka mamonjy tena tsy misy fanampiana avy any ambony), na izy diso …
  8. 2093 Ny fitiavana Ny finoana ao anatin’ny fitiavana an’Andriamanitra no ifonosan’ny antso sy ny adidy hamaly fitia an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana amin’ny fo madio. Ny didy voalohany no mandidy antsika ho tia an’ Andriamanitra mihoatra …
  9. 2094 Ny fitiavana Afaka manota amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, amin’ny fomba maro samihafa, ny olona. Toy izao avy izany : Ny tsy firaharahana, izany hoe ny manao tsinontsinona ny fitiavan’Andriamanitra na manamaivan-danja izany, hany ka tsy …
  10. 2095 II. “Aminy irery no hivavahanao” Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, no mampahalala sy mamelona ny herim-panahy enti-mitondra tena. Araka izany, ny fitiavana no mahatonga antsika hanolotra amin’Andriamanitra …
  11. 2096 Ny fitsaohana Amin’ny herim-panahy enti-mivavaka, ny fitsaohana no asa atao voalohany. Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny manaiky Azy ho Andriamanitra, ho Mpahary sy Mpamonjy, ho Tompo sy Mpandidy an’ izay rehetra misy, ho Fitiavana …
  12. 2097 Ny fitsaohana Ny mitsaoka an’Andriamanitra dia ny mahalala, ao anatin’ny fanajana sy ny fankatoavana tanteraka, “ny maha-tsinontsinona ny zavaboary” izay tsy misy raha tsy avy amin’Izy Andriamanitra. Ny mitsaoka an’Andriamanitra, dia ny manao tahaka …
  13. 2098 Ny fivavahana Tanteraka amin’ny fivavahana ny asan’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izay baikoin’ny didy voalohany. Ny fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra dia fomba iray amin’ny fitsaohantsika an’ Andriamanitra : vavaka fiderana sy …
  14. 2099 Ny sorona Rariny sy hitsiny ny manolotra sorona amin’Andriamanitra ho famantaram-pitsaohana sy fankasitrahana, fitalahoana sy fiombonana : “Sorona marina tokoa ny asa rehetra atao mba hiraiketana amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fiombonana masina sy mba …
  15. 2100 Ny sorona Mba ho tena izy ny sorona hita maso, dia tsy maintsy ho fanehoana ny sorona ara-panahy : “Fanahy torotoro no sorona atolotro....” (Sal 51,19). Ny mpaminanin’ny Fanekem-pihavanana Taloha dia matetika nanome tsiny …
  16. 2101 Fanomezan-toky sy voady Ny kristianina, amin’ny fisehon-javatra maro, dia voantso hanao fanomezan-toky amin’Andriamanitra. Ny Batemy sy ny Fankaherezana, ny Fanambadiana sy ny Filaharana masina dia misy izany lalandava. Amin’ny fitiavam-bavaka manokana, afaka manome toky an’Andriamanitra …
  17. 2102 Fanomezan-toky sy voady “Ny voady , izany hoe ny fanomezan-toky amin’ny nahim-po sy amin-kalalahana atao amin’Andriamanitra amin’ny tsara azo atao sy tsaratsara kokoa dia tsy maintsy tanterahina amin’ny anaran’ny herim-panahy enti-mivavaka” [15] . Ny voady …
  18. 2103 Fanomezan-toky sy voady Eken’ny Fiangonana ny soatoavina fakan-tahaka amin’ny voady hampiharana ireo torohevitry ny Evanjely [17] : Mifaly ny Fiangonana Renintsika eo am-pahitana fa ao aminy dia betsaka ny lehilahy sy ny vehivavy te-hanara-dia akaikikaiky …
  19. 2104 Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana “Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana, indrindra amin’izay mahakasika an’Andriamanitra sy ny Fiangonany ; ary rahefa mahafantatra izany izy ireo, dia hisafidy izany ka tsy hivadika aminy” [20] . …
  20. 2105 Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana Ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra dia mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina. Izany no “fitambaram-pampianarana katôlika nampitain’ny lovantsofina, momba ny adidy ara-môraly ho efain’ny olona sy ny …