Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1986 III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely Ankoatra ireo didy amin’ny Lalàna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. “ Ny fahamasinan’ny Fiangonana dia voatsimbina indrindra amin’ny alalan’ireo torohevitra maro be izay natolotry ny Tompo ao …
  2. 1987 I. Ny fanamarinana Manana fahefana hanamarina antsika ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, izany hoe mandio antsika noho ny fahotantsika sy mampita amintsika “ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy” (Rôm 3,22) sy amin’ny alalan’ny Batemy [40] …
  3. 1988 I. Ny fanamarinana Noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia sady mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy isika maty amin’ny fahotana, no mandray anjara koa amin’ ny Fitsanganany ho velona ka ateraka amin’ny fiainam-baovao ; sady rantsambatan’i …
  4. 1989 I. Ny fanamarinana Ny tsanganasa voalohany amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana , izay mahatonga fanamarinana araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny fiantombohan’ny Evanjely hoe : “Mibebaha ianareo, fa akaiky tokoa ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt …
  5. 1990 I. Ny fanamarinana Ny fanamarinana no manala ny olona amin’ny fatotry ny fahotana izay fitsipahana ny fitiavan’Andriamanitra, sy mandio ny fony amin’izany. Tanteraka ny fanamarinana, aorian’ny fahazoana ny famindram-pon’ Andriamanitra izay anomezana ny famelan-keloka. Izy …
  6. 1991 I. Ny fanamarinana Ny fanamarinana koa no fandraisana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Ny hoe fahamarinana eto izany, dia ilazana ny fahitsian’ny fitiavan’Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanamarinana, dia voarotsaka ao am-pontsika ny finoana sy …
  7. 1992 I. Ny fanamarinana Ny fanamarinana no nahatonga antsika ho mendri-balisoa tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy izay nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana ho sorona velona, masina sy ankasitrahan’Andriamanitra, izay nampanjary ny ra ho fitaovam-piarovan’Andriamanitra amin’ny fahotan’ny olombelona rehetra. …
  8. 1993 I. Ny fanamarinana Ny fanamarinana dia manorina ny fiaraha-miasan’ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fahafahan’ny olombelona . Miseho eo amin’ny olona ny fanamarinana, rahefa mankato ny finoana amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mitaona azy hibebaka izy, sy rahefa …
  9. 1994 I. Ny fanamarinana Ny fanamarinana no tsanganasa tsara indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra naharihary tao amin’i Kristy Jesoa sy nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Heverin’i Md Augustin fa “ny fanamarinana ny olona ratsy fanahy mpankahala fivavahana …
  10. 1995 I. Ny fanamarinana Ny Fanahy Masina no mpampianatra ao anatin’ny olona. Rahefa aterany ho “olona anaty” (Rôm 7,22 ; Efez 3,16) kosa ny olona, dia ny fanamarinana no mahatonga ho masina ny maha-olona manontolo : …
  11. 1996 II. Ny fahasoavana Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fanamarinana antsika. Ny fahasoavana no t ombon-tsoa sy vonjy maimaim-poana izay omen’ Andriamanitra antsika mba hamaliana ny antsony : manjary zanak’ Andriamanitra [48] , zanaka natsangana [49] , …
  12. 1997 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana dia fiombonana anjara amin’ny fiainan’ Andriamanitra , izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina : amin’ny Batemy no andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, Lohan’ny Vatany. Amin’ny maha-“zanaka …
  13. 1998 II. Ny fahasoavana Ilay fiantsoana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra ny natoraly . Miankina manontolo amin’ny fanomezana maimaim-poana ataon’Andriamanitra mialoha izany, satria Izy irery no afaka manambara tena sy manolo-tena ny Tenany ihany. Mihoatra …
  14. 1999 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavan’i Kristy no fanomezana maimaim-poana izay atolotr’ Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy : Izany no …
  15. 2000 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maharitra, toe-panahy mahazatra tsy miovaova sy mihoatra ny natoraly mandavorary ny fanahy tokoa mba hahatonga azy ho afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra, sy hanao asa amam-pitondran-tena amin’ny alalan’ny …
  16. 2001 II. Ny fahasoavana Ny fanomanana ny olona handray ny fahasoavana dia efa tsanganasan’ny fahasoavana. Ilaina izany mba handrisihana sy hanohanana ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamasinana amin’ny …
  17. 2002 II. Ny fahasoavana Ny fialohavan’Andriamanitra manao ny asa amin-kalalahana dia mitaky valiny amin-kalalahana avy amin’ny olombelona , satria tamin’ny naharian’ Andriamanitra ny olombelona hitovy endrika Aminy no nanomezany azy, miaraka amin’ny fahafahana, ny fahazoana mahalala …
  18. 2003 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana no voalohany sy ambonin’ny rehetra amin’ny fanomezan’ ny Fanahy izay manamarina antsika sy manamasina antsika. Kanefa ny fahasoavana koa no misy ny fanomezana izay omen’ny Fanahy ho antsika mba handraisantsika …
  19. 2004 II. Ny fahasoavana Amin’ireo fahasoavana manokana, dia tsara ny mampahalala fa anisany ireo fahasoavana mitahy izay manampy amin’ny fanaovana ny adidy aman’andraikitra amin’ny fiainana kristianina sy ny andraiki-panompoana eo anivon’ny Fiangonana : Samy manana ny …
  20. 2005 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana, noho izy mihoatra ny natoraly, dia tsy mety ho takatry ny fahalalantsika azo tamim-pahazarana , sy tsy mety ho fantatra raha tsy amin’ny finoana. Noho izany, tsy azontsika atao ny …