II. Ny fahasoavana

Laharana 1998 amin’ny Katesizy

Ilay fiantsoana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra ny natoraly. Miankina manontolo amin’ny fanomezana maimaim-poana ataon’Andriamanitra mialoha izany, satria Izy irery no afaka manambara tena sy manolo-tena ny Tenany ihany. Mihoatra ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona sy ny herin’ny sitrapony izany, toy ny an’ny zavaboary rehetra[52].

Loharano ôfisialy ↗