Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1141 Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta. Ny mpiangona izay mankalaza dia fiombonan’ireo vita batemy, izay “tamin’ny alalan’ny fanavaozana sy ny fanosorana tamin’ny Fanahy Masina izy ireo no voatokana mba ho tempoly ara-panahy sy ho mpisorona masina, mba hanolotra …
  2. 1142 Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta. Kanefa “tsy mitovy raharaha ny rantsambatana rehetra” (Rôm 12,4). Ny rantsambatana sasany dia antsoin’Andriamanitra, ao amin’ny Fiangonana sy amin’ny alalany, ho amin’ny fanompoana manokana ny fiombonan’ny mpino. Ireo mpanompo ireo dia voafidy …
  3. 1143 Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta. Mba hampiasana ny anjara asam-pisoronana iombonan’ny mpino, misy koa ny andraiki-panompoana hafa manokana , tsy nohamasinana tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, ka ny Eveka no mamaritra ny anjara asa manandrify izany araka ny …
  4. 1144 Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta. Araka izany, amin’ny fankalazana ny sakramenta, ny mpiangona manontolo no “mpilitorzia”, ny tsirairay araka ny anjara raharaha manandrify azy, nefa ao amin’ny “firaisana amin’ny Fanahy” izay miasa ao amin’ny rehetra. “Amin’ny fankalazana …
  5. 1145 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Narafitra amin’ny famantarana sy fanehoana an’ohatra maro ny fankalazana ara-tsakramenta iray. Araka ny fanabeazan’Andriamanitra eo amin’ny famonjena, ny hevitra raketin’izy ireny dia miorim-paka ao anatin’ny tsanganasa fahariana sy ao amin’ny kolontsain’ny olombelona, …
  6. 1146 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Famantarana amin’ny tontolon’ny olombelona . Mitana toerana lehibe ny famantarana sy fanehoana an’ohatra, eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ny olombelona, noho izy natao ho manana vatana sady manana fanahy, dia maneho sy mahatsapa …
  7. 1147 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Miteny amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny zavaboary hita maso Andriamanitra. Ny tontolon’ny zavaboary voarindra hita maso, tsapan’ny tanana, no miseho ao an-tsain’ny olombelona mba hahafahany mamaky ao ireo mariky ny Mpahary azy [20] …
  8. 1148 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Amin’ny maha-zavaboary ireny zava-misy tsapan’ny fandrenesana ireny, dia mety ho zary fototra fanehoana ny asan’Andriamanitra izay manamasina ny olombelona, sy ny asan’olombelona izay hanomezan’ izy ireo voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ireny. Toy …
  9. 1149 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Ny antokom-pivavahana lehibe arahin’ny olona dia manaporofo amin’ny fombam-pivavahany, matetika amin’ny fomba mampitolagaga, io hevitra araka ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ara-panehoana an’ohatra io. Ny litorzian’ny Fiangonana dia mandray rahateo sy mampiditra …
  10. 1150 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Famantarana ny fanekem-pihavanana . Ny vahoaka voafidy dia nandray tamin’Andriamanitra ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra miavaka izay manamarika ny fiainany ara-litorzia : tsy fankalazana fotsiny intsony amin’ny fihodinan’ny tontolon’ny zavaboary voarindra …
  11. 1151 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Famantarana nampiasain’i Kristy . Matetika, nampiasa famantarana maro avy amin’ny zavaboary i Jesoa Tompo, tamin’ny toriteniny, mba hampahafantarana ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra [21] . Tamin’ny famantarana hita maso sy tsapan’ny tanana, na tamin’ny …
  12. 1152 Famantarana sy fanehoana an’ohatra Famantarana ara-tsakramenta . Nanomboka tamin’ny Pantekôty, dia amin’ ny alalan’ny famantarana ara-tsakramentan’ny Fiangonany no anaovan’ny Fanahy Masina ny tsanganasa fanamasinana. Ny sakramentan’ny Fiangonana dia tsy manafoana, fa manadio sy mampiditra manontolo ao …
  13. 1153 Teny sy asa Ny fankalazana ara-tsakramenta dia fihaonan’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo, ao amin’i Kristy sy ny Fanahy Masina, ary io fihaonana io dia zary resaka ifanaovana, amin’ny alalan’ny asa sy ny teny. Marina fa …
  14. 1154 Teny sy asa Ampahany tsy azo esorina amin’ireo fankalazana ara-tsakramenta, ny litorzian’ny Teny . Mba hampitombo ny finoan’ny mpino, tokony hasongadina ireo mari-pamantarana ny Tenin’Andriamanitra : ny boky mirakitra ny Teny (boky litorzika mirakitra ny …
  15. 1155 Teny sy asa Tsy azo saratsarahina ny teny sy ny asa litorzika amin’ny maha-famantarana sy fampianarana azy, dia toy izany koa, amin’ny maha-mpanatanteraka azy ny zavatra izay ampahafantariny. Tsy ny manome fotsiny ny fahafaha-mahazo ao …
  16. 1156 Hira sy mozika “Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin’ireo zavakanto hafa, indrindra, fa amin’ny maha-hira masina azy miaraka amin’ny …
  17. 1157 Hira sy mozika Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara asa maha-famantarana azy, sady amin’ny fomba miharihary izay “ifandraisan’izy ireny bebe kokoa amin’ny asa litorzika” [27] , araka ireto mari-pitsaràna lehibe telo ireto …
  18. 1158 Hira sy mozika Ny firindran’ireo famantarana (hira, mozika, teny ary asa) eto dia sady maneho mazava sy mamokatra, no manazava ny ao anatin’ny harena ara-kolontsaina manokana an’ny Vahoakan’Andriamanitra izay mankalaza [30] . Noho izany, “hamporisihana …
  19. 1159 Ny sary masina I Kristy no asehon’ny sary masina, ny Sarimasina litorzika, ambonin’ny rehetra. Ny sary anefa tsy afaka hampiseho an’ilay Andriamanitra tsy hita maso sy tsy takatry ny saina ; ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho …
  20. 1160 Ny sary masina Ny angontsarimasina kristianina no mandika amin’ny alalan’ny sary ny hafatry ny Evanjely izay ampitain’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny teny. Mifanazava ny sary sy ny teny : Mba hilazana amin’ny teny fohy ny …