Hira sy mozika
Laharana 1156 amin’ny Katesizy
“Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin’ireo zavakanto hafa, indrindra, fa amin’ny maha-hira masina azy miaraka amin’ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina na ampahany tsy azo esorina amin’ny litorzia manetriketrika izy”[24]. Ny famoronana sy ny fihirana ny Salamo masina, matetika narahina zavamaneno, dia efa nifamatotra mafy tamin’ireo fankalazana ara-litorzian’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Tohizin’ny Fiangonana sy ampiroboroboiny izany lovam-panahy izany : “Salamo, antsa ary tonon-kira masina no ifampitanisaonareo ; hirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19)[25]. “Izay mihira dia mivavaka indroa”[26].