Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2441
V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena
Ny mampitombo ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahalalana ny tena ihany no tena fototr’izay rehetra fampandrosoana feno ny fitambaran’ny olombelona rehetra . Io fampandrosoana io no mampitombo ireo harena ara-pitaovana sy ny …
→
-
2442
V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena
Tsy anjaran’ny mpitondra Fiangonana ny mirotsaka mivantana amin’ny fananganana fitondram-panjakana sy amin’ny fandaminana ny fiainam-piaraha-monina. Anjara lahasa amin’ny fiantsoana ny mpino lahika izany, amin’ny fampiasany ny toe-tsaina manombo-javatra avy aminy, iarahany amin’ny …
→
-
2443
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Midera ireo izay manampy ny mahantra Andriamanitra ary manome tsiny ireo izay mihodina tsy hanao izany : “Omeo izay mangataka aminao ; aza omena lamosina izay te hisambotra aminao” (Mt 5,42). “Nahazo …
→
-
2444
VI. Ny fitiavana ny mahantra
“Anisan’ny lovam-panahy tsy miova ny fitiavan’ny Fiangonana ny mahantra (…)” [50] . Avy amin’ny Evanjelin’ny hasambarana [51] , avy amin’ny fahantran’i Jesoa [52] ary avy amin’ny fikarakarany ny mahantra no nanovozana an’izany …
→
-
2445
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Tsy afa-miaraka amin’ny fitiavan-karena tafahoatra na fampiasana azy ireny amin’ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitiavana ny mahantra : Anareo mpanankarena kosa indray izao ! Mitomanìa ianareo, migogogogoa amin’ny loza izay hidona aminareo. Ny …
→
-
2446
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Nampahatsiaro mafy izany i Md Jean Chrysostome : “Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin’ny fananany manokana, dia mangalatra amin’izy ireo sy manala amin’izy ireo ny aina. Tsy ny fananantsika no tazonintsika …
→
-
2447
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Ny tsanganasa fiantrana dia asa fitiava-namana izay amin’izany isika no manampy ny namantsika amin’ny zavatra ilainy ara-batana sy ara-panahy [58] . Ny mampianatra, ny manoro hevitra, ny mampionona, ny mampahery, dia tsanganasa …
→
-
2448
VI. Ny fitiavana ny mahantra
“Amin’ireo endrim-pahoriana maro be : tsy fananana fitaovana, fampahoriana tsy an-drariny, kilema ara-batana sy ara-tsaina, ary farany ny fahafatesana, dia ny fahantran’ny olombelona no famantarana miharihary ny toetram-pahosana hatrany am-bohoka izay ao …
→
-
2449
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Nanomboka tamin’ny Testamenta Taloha, ny karazana famerana rehetra momba ny lalàna (taonan’ny famelan-keloka, fandraràna ny fampisamborana misy zana-bola sy ny fitanana ny antoka, ny didy fandoavana ny ampahafolom-pananana, ny fanefana isan’andro ny …
→
-
2450
VI. Ny fitiavana ny mahantra
“ Tsy hangalatra ianao” (Det 5,19). “Tsy handova ny Fanjakan’ Andriamanitra, na ny mpangalatra, na ny kahihitra (…), na ny mpanao an-keriny ” (1 Kôr 6,10).
→
-
2451
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Ny didy fahafito dia mandidy hanao ny fahamarinana sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona.
→
-
2452
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Tsy manafoana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, ny zo hanam-pananana manokana.
→
-
2453
VI. Ny fitiavana ny mahantra
.Ny didy fahafito dia mandrara ny halatra. Fakana an-keriny ny fananan’ ny hafa, tsy araka ny sitrapo marina heverin’ny tompony, ny halatra.
→
-
2454
VI. Ny fitiavana ny mahantra
.Mifanohitra amin’ny didy fahafito ny fomba rehetra akàna sy ampiasana tsy an-drariny ny fananan’ny hafa. Ny tsy fahamarinana natao dia mitaky fanonerana. Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny …
→
-
2455
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Raràn’ny lalàna môraly ny asa rehetra izay mitarika hanandevo olona, hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, noho ny toetra matimatim-bola na mpanao bodo ngerona.
→
-
2456
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena avy amin’ny zavamaniry, harena avy amin’ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny fepetra ara-môraly, tafiditra amin’izany …
→
-
2457
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Ny biby dia nankinina amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ny olombelona, izay tokony haneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izy ireny. Afaka manampy amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona ny biby.
→
-
2458
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Maneho ny heviny momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona. Miahy ireo soa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany …
→
-
2459
VI. Ny fitiavana ny mahantra
.Ny tenan’ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon’ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vaholana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren’ny zavaboary nataon’ Andriamanitra ho an’ny rehetra, raha …
→
-
2460
VI. Ny fitiavana ny mahantra
Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olombelona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Amin’ny asany ny olombelona no mandray anjara amin’ny tsanganasa fahariana. Raha ampiraisina amin’i Kristy ny asa, …
→