II. Ny fahefan’ny fanalahidy

Laharana 983 amin’ny Katesizy

Hiezaka ny katesezy hamohafoha sy hamelona ny finoan’ireo mpino, noho ny halehiben’ny fanomezana izay nataon’i Kristy nitsangan-ko velona ho an’ny Fiangonany : ny fanirahana sy ny fahefana hamela marina tokoa ny fahotana, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly sy ny dimbin’izy ireo :

Sitraky ny Tompo ny hananan’ny mpianany fahefana lehibe dia lehibe : sitrany raha ny mpanompony mahantra no manatanteraka amin’ny anarany izay rehetra nataony fony Izy teto an-tany [9].

Nandray ny fahefana izay tsy nomen’Andriamanitra na tamin’ny anjely na tamin’ny arkanjely ny Pretra. (…) Ataon’Andriamanitra any ambony any manan-kery izay rehetra ataon’ny Pretra eto an-tany[10].

Raha tsy nisy ny famelana ny fahotana ao amin’ny Fiangonana, tsy hisy fanantenana na kely aza, ary tsinontsinona ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny fanafahana mandrakizay. Isaorantsika Andriamanitra izay nanome ho an’ny Fiangonany ny fanomezana toy izany[11].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗