“ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra”
Laharana 664 amin’ny Katesizy
Ny fipetrahana eo an-kavanan’ny Ray dia midika fitokanana ny fanjakan’ny Mesia, fahatanterahan’ny fahitan’i Daniela mpaminany ny amin’ilay Zanak’ olona : “Nomena Azy ny fanapahana, ny voninahitra amam-panjakana, ary manompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samy hafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary tsy ho rava na oviana na oviana ny fanjakany” (Dan 7,14). Nanomboka tamin’io fotoana io, nanjary vavolombelon’ny “Fanjakana tsy hanam-pahataperana” ny apôstôly[590].
FAMINTINANA