Ny Vatan-tenan’i Kristy tao am-pasana

Laharana 626 amin’ny Katesizy

Satria ilay “Tompon’ny aina” izay novonoina ho faty[508] ihany no ilay Velona tokoa izay nitsangan-ko velona[509], ka tsy maintsy tohizin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ny mizaka ny fanahiny sy ny vatany nosarahin’ny fahafatesana :

Noho ny nahafatesan’i Kristy dia tafasaraka tamin’ny nofo ny fanahy, nefa tsy nizara ho olona roa tsy akory ilay olona tokana ; satria ny vatana sy ny fanahin’i Kristy dia fototra iray ihany no nisiany hatrany am-piandohana tao amin’ny tenan’ilay Teny ; ary tamin’ny fahafatesana, na dia nisaraka aza izy roa, samy nijanona tao amin’ny tenan’io Teny io ihany sy tokana izy ireo[510].

Loharano ôfisialy ↗