III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy
Laharana 590 amin’ny Katesizy
Ny maha-Andriamanitra ny Tenan’i Jesoa no hany afaka manamarina ny fitakiana sady fandidiana an’ireto lazainy manaraka ireto : “Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy” (Mt 12,30) ; toy izany koa rahefa nilaza Izy fa “lehibe noho i Jônasa, (...) lehibe noho i Salômôna” (Mt 12,41-42), “lehibe noho ny Tempoly”[395] ; rahefa nampahatsiahy ny Aminy Izy tamin’ny niantsoan’i Davida ho Tompony ny Mesia[396], rahefa nanizingizina Izy hoe : “Fony mbola tsy nisy i Abrahama, dia efa Izaho Aho” (Jo 8,58) ; ary hatramin’ny hoe : “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jo 10,30).