III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy
Laharana 589 amin’ny Katesizy
Ny nanafintohina indrindra tamin’i Jesoa, dia satria Izy nampitovy ny fihetsiny be indrafo amin’ny mpanota, amin’ny fihetsika ataon’ny Tenan’ Andriamanitra, teo anatrehan’izy ireny[390]. Lasa hatramin’ny fampahafantarany an’izany fa ny fiarahany miray latabatra amin’ny mpanota[391] dia efa fandraisany azy ireo amin’ny fanasam-ben’ny Mesia[392]. Fa ny niavaka indrindra tamin’ireny dia ny famelan’i Jesoa ny fahotana izay tena nahavàka ny sain’ireo mpitondra ara-pivavahana teo amin’i Israely. Tsy marina ve raha tao anatin’ny fahasosorana no nilazan’izy ireo hoe : “Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana ?” (Mk 2,7). Amin’ny famelan’i Jesoa ny fahotana, na manevateva Izy satria olombelona tsotr’izao no milaza tena ho mitovy amin’Andriamanitra[393], na milaza ny marina Izy ka ny Tenany no mampiseho sy manambara ny anaran’Andriananitra[394].