Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra
Laharana 546 amin’ny Katesizy
Miantso ny olona hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, amin’ny alalan’ny fanoharana, izay fomba fanehoan-kevitra miavaka amin’ ny fampianarany[275]. Amin’ny alalan’ireny Izy no manasa ny olona ho amin’ny fanasam-ben’ny Fanjakan’ny lanitra[276], nefa mitaky safidy hentitra koa : mba hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra, tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra[277] ; tsy ampy ny teny fotsiny, fa tsy maintsy arahina asa[278]. Toy ny fitaratra ho an’ny olona ny fanoharana : tahaka ny tany mafy sa sahala amin’ny tany tsara no andraisany ny teny[279] ? Inona no ataony ny amin’ny talenta noraisiny[280] ? I Jesoa sy ny fisian’ny Fanjakan’ny lanitra eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia miafina eo anivon’ireny fanoharana ireny. Tsy maintsy miditra ao amin’ ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe tsy maintsy tonga mpianatr’i Kristy, mba “hahalala ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 13,11). Mijanona ho saro-pantarina ny zava-drehetra[281], ho an’ireo izay mitoetra “any ivelany” (Mk 4, 11).