Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra
Laharana 545 amin’ny Katesizy
Manasa ny mpanota ho eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa : “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota” (Mk 2,17)[273]. Taominy ho amin’ny fibebahana izy ireo, raha tsy izany tsy ho afaka miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa asehony azy ireo amin’ny teny sy amin’ny asa ny famindram-po tsy misy fetran’ny Rainy ho azy ireo[274]sy ny “hafaliam-be any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka” (Lk 15,7). Ny porofo fara tampony mampiseho izany fitiavana izany, dia ny hanaovany sorona ny ainy mihitsy “ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).