IV. Tompo
Laharana 454 amin’ny Katesizy
Ny anarana hoe Zanak’Andriamanitra dia mampahafantatra ny fifandraisana tsy manam-paharoa sy mandrakizay eo amin’i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Rainy : Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray[72] sady Andriamanitra rahateo ihany[73]. Ny mino fa i Jesoa-Kristy no Zanak’ Andriamanitra dia ilaina mba haha-kristianina[74].