II. Ny fahalavoan’ny anjely
Laharana 394 amin’ny Katesizy
Hamarinin’ny Soratra Masina ny fihatran’ny hery mampidi-doza avy amin’ ilay antsoin’i Jesoa hoe “mpamono olona hatramin’ny voalohany” (Jo 8,44), ary nataony hatramin’ny fakàna fanahy hampivily lalana an’i Jesoa amin’ny iraka noraisiny tamin’ny Ray[286]. “Ny handrava ny tsanganasan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra” (1 Jo 3,8). Ny voka-dratsy lehibe indrindra aterak’izany tsanganasa izany dia ny fanangolena mamitaka izay nitarika ny olombelona tsy hankato an’Andriamanitra.