II. Ny fahalavoan’ny anjely
Laharana 393 amin’ny Katesizy
Toetra raikitra tsy azo ovàna amin’ny safidin’ny anjely izany, fa tsy hoe ny tsy fahampian’ny maha-tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra no mety nahatonga tsy hahavoavela ny helok’izy ireo. “Tsy nisy fanenenana ho azy ireo taorian’ny fahalavoana, tahaka ny tsy fisian’ny fanenenana ho an’ny olombelona aorian’ny fahafatesana”[285].