II. Ny fahalavoan’ny anjely

Laharana 391 amin’ny Katesizy

Ao ambadiky ny safidy tsy hanaiky nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika, dia nisy feo nanangoly, nanohitra an’Andriamanitra[280], izay nandavo azy ireo ho amin’ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fitsiriritana[281]. Ny fahitan’ny Soratra Masina sy ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana ao amin’io fisiana feo io, dia anjely niongana, antsoina hoe Satana na devoly[282]. Ampianarin’ny Fiangonana fa anjely tsara no nataon’Andriamanitra tamin’ ny voalohany. “Marina fa ilay devoly sy ny demony hafa rehetra dia noarìn’ Andriamanitra ho tsara araka ny toetra voa-Janahary, fa izy ireo ihany no namadika ny tenany ho ratsy”[283].

Loharano ôfisialy ↗