Fomba hamakiana ny tantaran’ny fahalavoana

Laharana 390 amin’ny Katesizy

Mampiasa fiteny amin’ny sary an’ohatra ny tantaran’ny fahalavoana (Jen 3), kanefa milaza marina ny zava-nitranga lehibe dia lehibe, zava-nisy efa hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona[278]. Ny Fanambaràna no mampahafantatra antsika ny fahamarinam-pinoana, fa ny tantaran’ny olombelona manontolo dia voamariky ny fahotana tamin’ny fototra izay nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika tamin-kalalahana[279].

Loharano ôfisialy ↗