IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”

Laharana 2831 amin’ny Katesizy

Nefa ny fisian’ireo izay noana noho ny tsy fahampian-tsakafo, dia manambara lafiny lalina hafa an’io fangatahana io. Ny antambon’ny hanoanana eto amin’izao tontolo izao dia miantso ny kristianina izay mivavaka amin’ny fahamarinana, handray andraikitra azo tsapain-tanana amin’ireo rahalahiny ireo, na amin’ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo manokana na amin’ny fifanampian’izy ireo amin’ny fianakavian’ny olombelona. Ity fangatahana amin’ny Vavaky ny Tompo ity, dia tsy azo sarahina amin’ireo fanoharana mikasika an’i Lazara mahantra[100] sy ny Fitsaràna farany[101].

Loharano ôfisialy ↗