I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”

Laharana 2810 amin’ny Katesizy

Tamin’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy ny fianianana izay nampiarahina tamin’izany[61], ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, saingy tsy nambarany ny anarany. Tamin’i Môizy Izy no nanomboka nanambara ny anarany[62], ary naneho izany teo imason’ny vahoaka manontolo tamin’ny namonjeny azy ireo teo an-tanan’ny Ejipsianina: “Naneho ny voninahiny Izy” (Eks 15,1). Io vahoaka io, nanomboka tamin’ny fanekem-pihavanana teo Sinaia, dia “Azy” ary tsy maintsy ho “firenena masina” (na voatokana, teny iray ihany izany amin’ny teny hebrio[63]) satria monina ao aminy ny Anaran’Andriamanitra.

Loharano ôfisialy ↗