I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”
Laharana 2809 amin’ny Katesizy
Ny Fahamasinan’Andriamanitra no foibe saro-takarin’ny saina amin’ny misteriny mandrakizay. Izay nampiharihariana izany tamin’ny fahariana sy ny tantara, no antsoin’ny Soratra Masina hoe : Voninahitra, famirapiratan’ny Fiandrianany[58]. Tamin’ny nanaovany ny olombelona “mitovy endrika Aminy sy mifanahaka Aminy” (Jen 1,26), no nosatrohan’Andriamanitra voninahitra izy[59], nefa tamin’ny nanotan’ny olombelona dia voaesotra tao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra[60]. Koa noho izany, asehon’Andriamanitra ny Fahamasinany amin’ny fanambaràny sy amin’ny fanomezany ny anarany, mba hanavaozana ny olombelona “amin’ny endrik’ilay Mpahary azy” (Kôl 3,10).