II. Ny vavaka fangatahana

Laharana 2629 amin’ny Katesizy

Betsaka ny fahasamy hafa kely ny voambolana momba ny fitalahoana, ao amin’ny Testamenta Vaovao : mangataka, mitalaho, manao lemozy, miantso, mikiaka, mitaraina, ary mitolona mihitsy amin’ny vavaka[109]. Kanefa ny endriny mahazatra indrindra, satria mipoitra ho azy tokoa avy ao am-po, dia ny fangatahana. Amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no ampisehoantsika ny kônsiansin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : amin’ny maha-zavaboary, tsy isika no niandohantsika, na tompon’ny fahoriana, na tanjom-piafarantsika, nefa koa, amin’ny maha-mpanota, fantantsika, noho isika kristianina, fa mihodina amin’ny Ray isika. Efa fiverenana Aminy ny fangatahana.

Loharano ôfisialy ↗