I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana
Laharana 2628 amin’ny Katesizy
Ny fitsaohana dia fihetsika voalohany ataon’ny olombelona izay miaiky ho zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy. Ny fitsaohana no midera ny halehiben’ny Tompo izay nanao antsika[107] sy ny maha-Mahefa ny zava-drehetra ny Mpamonjy izay manafaka antsika amin’ny ratsy. Ny fitsaohana no fiankohofan’ny fanahy eo anatrehan’ilay “Mpanjakan’ny voninahitra” (Sal 24,9-10) sy fanginana feno fanajana eo anatrehan’Andriamanitra “lehibe lalandava”[108]. Ny fitsaohana an’Andriamanitra masina indrindra sy mahatehotia fatratra tokoa dia mahatonga fanetren-tena sy mampahazo antoka ny fitalahoantsika.