II. Ny fanirian’ny Fanahy
Laharana 2543 amin’ny Katesizy
“Ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy miantefa amin’izay rehetra mino” (Rôm 3,21-22). Koa noho izany, ny mpinon’i Kristy “dia namàntsika tamin’ny Hazofijaliana ny nofo mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny” (Gal 5,24) ; izy ireo no tarihin’ ny Fanahy[131] sy manaraka ny fanirian’ny Fanahy[132].