II. Ny fanirian’ny Fanahy
Laharana 2542 amin’ny Katesizy
Ny lalàna nankinina tamin’i Israely dia tsy ampy na oviana na oviana, hanamarina an’ireo izay nankato izany ; vao mainka aza nanjary fitaovam-piasan’ny “fitsiriritana” ny lalàna[129]. Ny tsy fampirindràna eo amin’ny maniry sy ny manatanteraka[130] dia mampiseho ny fifanoherana eo amin’ny Lalànan’Andriamanitra izay “lalànan’ny saina”, sy ny lalàna hafa “izay mamatotra ahy amin’ny lalànan’ny fahotana ao amin’ny rantsambatako” (Rôm 7,23).