II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana

Laharana 2533 amin’ny Katesizy

Ny fahadiovan’ny fo dia mitaky fahalalana menatra izay mila faharetana, fahamaotonana ary fahatanam-bava. Ny fahalalana  menatra  no miaro ny fiainan’ny olona manokana.

“Tsy hitsiriritra (...) na inona na inona amin’izay an’ny namanao ianao” (Eks 20,17). Tsy haniry na  ny tranon’ny namanao, na ny tanim-boliny, na ny ankizilahiny  na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany ianao : na inona na inona azy” (Det 5,21).

“Izay misy ny harenao, no hisy ny fonao” (Mt 6,21).

Loharano ôfisialy ↗