I. Ny fandiovana ny fo
Laharana 2519 amin’ny Katesizy
Nampanantenaina an’ireo “madio fo” ny hahita an’Andriamanitra mifanatri-tava sy ny hifanahaka Aminy[115]. Ny fahadiovan’ny fo no mialoha ny fahitana. Manomboka ankehitriny, izany no ahafahantsika mahita araka an’Andriamanitra sy mandray ny hafa ho “namana” ; izany no ahafahantsika mahita ny vatan’ny olombelona, ny antsika sy ny an’ny namantsika, ho tempolin’ny Fanahy Masina, ho fanehoana ny hatsaran-tarehin’Andriamanitra.