I. Ny fandiovana ny fo
Laharana 2518 amin’ny Katesizy
Ny hasambarana fahenina dia manao antso avo hoe : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8). Ny hoe “madio fo” dia enti-manondro ireo izay nampifanaraka ny sain’izy ireo sy ny sitrapon’izy ireo amin’izay takìn’ny fahamasinan’Andriamanitra, indrindra amin’ireto sehatra telo ireto : ny fitiava-namana[111], ny fahadiovam-pitiavana na hitsim-po araka ny maha-lahy na maha-vavy[112], ny fitiavana ny marina sy ny fahitsiam-poto-pampianarana momba ny inoana[113]. Misy fifamatoram-pifandraisana izany ny fahadiovan’ny fo sy ny vatana ary ny finoana :
Tokony hino ireo andalana ao amin’ny Semboly ny mpino, “ka eo am-pinoana, mba hanaiky an’Andriamanitra izy ireo ; eo am-panekena, mba ho velona tsara izy ireo ; eo am-pivelomana tsara, mba hanadio ny fony izy ireo, ary eo am-panadiovana ny fon’izy ireo, mba ho takatr’izy ireo an-tsaina izay inoan’izy ireo”[114].