III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy
Laharana 2424 amin’ny Katesizy
Ny foto-piheverana izay manao ny tombon-tsoa ho fitsipika manokana sy tanjom-piafaran’ny raharaha ara-piharian-karena dia tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny fahalianam-bola mihoa-pampana dia tsy ilaozan’ny voka-dratsy aterany. Izany ny anankiray amin’ireo anton’ny fifanoherana maro be manakorontana ny filaminam-bahoaka[20].
Ny rafi-pandaharana izay “manitsakitsaka ny zo fototra an’ny tsirairay sy an’ny vondron’olona amin’ny fampiasana fikambanana mpamokatra” dia mifanohitra amin’ny hasina maha-olona[21]. Ny fampiasana rehetra izay manetry ny olona ho toy ny fitaovana ahazoana tombon-tsoa fotsiny, dia manandevo ny olona, mitondra mankamin’ny fanompoana ny vola ho sampy ary manampy amin’ny fampielezana ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mammon ianareo” (Mt 6,24 ; Lk 16,13).