Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

Laharana 2340 amin’ny Katesizy

Ilay izay te haharitra tsy hivadika amin’ny fanomezan-toky tamin’ny Bateminy sy hanohitra ny fakam-panahy, dia hitandrina amin’ny fampiasana ny fomba sahaza izany : ny fahalalana ny tena, ny fizàrana mamola-tena araka ny toe-javatra atrehina, ny fanekena ny didin’ Andriamanitra, ny fampiasana ny herim-panahy enti-mitondra tena ary ny fitokiana amin’ny fivavahana. “Mamorona indray ny maha-isika antsika manontolo ny fahadiovam-pitiavana, ary mampody antsika amin’ilay firaisana izay nariantsika tamin’ny fiparitahantsika”[10].

Loharano ôfisialy ↗