Misoroka ny ady

Laharana 2307 amin’ny Katesizy

Mandrara ny famotehana an-tsitrapo ny fiainan’olombelona ny didy fahadimy. Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, dia mamporisika mafy ny tsirairay hivavaka sy hiasa ny Fiangonana, mba hanafahan’ny Hatsaram-pon’Andriamanitra antsika amin’ny fanandevozana fahiny tamin’ny ady[72].

Loharano ôfisialy ↗