Ny fandriampahalemana
Laharana 2306 amin’ny Katesizy
Ireo izay mandà ny asa mahery setra, mandatsa-dra, fa mampiasa ny fitaovam-piarovana takatry ny osa kokoa, ho fiarovana ny zon’olombelona, no mijoro vavolombelon’ny fitiavana araka ny Evanjely, raha toa ka tsy manimba ny zo sy ny adidy aman’andraikitry ny olon-kafa sy ny fikambanana ny fanaovana izany. Izy ireo no manamarina ara-dalàna ny halehiben’ny loza ara-batana sy ara-tsaina amin’ny fampiasana herisetra, sy manamarina koa ny vokany, dia ny faharavana sy ny fahafatesana[71].