Ny fanajana ny maty
Laharana 2301 amin’ny Katesizy
Mety ho azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny fandidiam-paty noho ny antony famotopotorana araka ny lalàna, hizahana ny antony nahafatesany, na noho ny antony fikarohana ara-tsiansa. Ara-dalàna ary mety ho mendri-piderana ny fanomezana maimaim-poana ny taova aorian’ny fahafatesana.
Manaiky ny fandoram-paty hanjary lavenona ny Fiangonana raha tsy miteraka voka-dratsy amin’ny finoana ny fitsanganan’ny vatana ho velona izany[65].