Ny fanajana ny maty
Laharana 2300 amin’ny Katesizy
Tokony hokarakaraina amim-panajana sy amim-pitiavana ao anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona ny nofo mangatsiaka an’ireo nodimandry. Tsanganasa fiantrana momba ny vatana ny fandevenana ny maty[64] ; manaja sy manome voninahitra ny zanak’Andriamanitra, tempolin’ ny Fanahy Masina izany.