III.Fiainana ara-môraly sy fijoroana ho misiônera
Laharana 2045 amin’ny Katesizy
Satria ireo kristianina no rantsambatan’ny Vatana, izay i Kristy no Loha[89], dia mandray anjara amin’ny fandrafetana ny Fiangonana izy ireo, amin’ny alalan’ny faharetan’ny finoan’izy ireo sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tenan’izy ireo. Mihalehibe ny Fiangonana, mitombo sy miitatra amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny mpinony[90], mandra-pahatonga “ho olon-dehibe, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoany” (Efez 4,13).