I. Ny fahefana mifehy

Laharana 1899 amin’ny Katesizy

Avy amin’Andriamanitra no ipoiran’ny fahefana mifehy takìn’ny lalàm-pitondran-tena : “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-dalàna mampiasa fahefana, satria tsy misy fahefana tsy avy amin’ Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa. Koa izay manohitra ny fahefana dia mikomy amin’ny fandaharana nataon’ Andriamanitra, ary izay mikomy dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany ihany” (Rôm 13,1-2)[18].

Loharano ôfisialy ↗