I. Ny fahefana mifehy
Laharana 1898 amin’ny Katesizy
Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy azy[17]. Ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona no misy ny fototry ny fahefana mifehy. Ilaina amin’ny fampiraisana ny mpiray tanàna izy. Ny anjara asany dia ny miantoka araka izay azo atao ny soa iombonana ho an’ny mpiara-monina.