III. Ny fanekena hivady

Laharana 1627 amin’ny Katesizy

Ny fanekena dia mifototra amin’“ilay asan’olombelona izay ifanoloran’ ny mpivady ny tenany sy ifandraisany”[142] : “Izaho R… dia mandray anao R… ho vadiko”[143]. Io fanekena izay mamatotra ny mpivady amin’izy samy izy io dia tanteraka rahefa “tonga nofo iray ihany” izy roa[144].

Loharano ôfisialy ↗