XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana

Laharana 1490 amin’ny Katesizy

Ny fandehanana miverina amin’Andriamanitra, antsoina hoe fibebahana sy fanenenana, dia mirakitra alahelo mafy sy rikoriko noho ny fahotana natao, ary fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy. Mahakasika ny lasa sy ny hoavy àry izany ny fibebahana ; ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra no ivelomany.

Loharano ôfisialy ↗