IV. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Laharana 1311 amin’ny Katesizy
Amin’ny Fankaherezana, toy ny amin’ny Batemy, tokony hitady fanampiana ara-panahy amin’ny ray na reny mpiantoka ny mpirotsaka ho amin’ny Fankaherezana. Mety raha ny mpiantoka azy tamin’ny Batemy ihany izany, mba hanamarika tokoa ny firaisan’ireo sakramenta roa ireo[142].