IV. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Laharana 1310 amin’ny Katesizy
Mba handraisana ny Fankaherezana, tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka ny kristianina. Tokony hidodododo izy hanatona ny sakramentan’ny Fivalozana, mba hodiovina ho amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny vavaka mafimafy kokoa no tokony hanomanana ny fandraisana amim-pankatoavana sy amim-kahalalahana ny hery sy ireo fahasoavan’ny Fanahy Masina[141].