V.Iza no mahazo manao batemy ?
Laharana 1256 amin’ny Katesizy
Ny mpandraharaha masina manam-pahefana andavanandro hanao batemy dia ny Eveka sy ny Pretra, ary, ao amin’ny Fiangonana latinina, ny Diakra koa[56]. Raha toa ka an-kamehana, ny olona rehetra, na dia tsy vita batemy aza, raha manana ny fikasana ilaina, dia afaka manao batemy, amin’ny fampiasana ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny anaran’ny Trinite[57]. Ny fikasana ilaina, dia ny finiavana hanao izay ataon’ny Fiangonana amin’ny fanaovana batemy, sy mampiasa ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny Anaran’ny Trinite. Tsapan’ny Fiangonana ny anton’io fahazoan’ ny olona rehetra manao batemy io amin’ny sitrapon’Andriamanitra hamonjy ny daholobe[58] sy amin’ny ilana ny Batemy ho amin’ny famonjena[59].